Kalon'Antsahadinta - Telomiray Antsahadinta - Video
PUBLISHED:  Sep 17, 2010
DESCRIPTION:
« Feo mozika ». Io no anarana nampiakanjona ny kapila « vcd » mirakitra feo-na mozikam-pamadihana navoakan'ny tarika Telomiray Antsahadinta. Ireto tarika ireto dia havanana amin'ny fanafanana lanonam-pamadihana ary azo ambara fa kalaza indrindra raha amin'io lafiny iray io. Amin'ny ankapobeny dia ireo hira malaza sy be mpankafy no tena voizin'ireo mpitsoka mozika ireo rehefa manafana lanonana. Ao anatin'ity kapila « vcd » vaovao havoakan'ny RHV Prod manomboka anio ity dia rindran-tsary 15 no voarakitra ao. Misy amin'izy ireo no hiran'ny tarika mpihira tsotra malaza, misy ny hira nalaina tao amin'ny hiram-bavaka fanao any am-piangonana ary misy kosa ny hira fahiny elabe. Ireto avy izy ireo : « Kalon'Antsahadinta », « Zava-tsoa tokoa », « Afindrafidrao », « Izany no marika »(Ramora Favori), « Mpianakavy », « Simba »(Mam'Be); « Foza orana » (Ramora Favori), « Sao dia mipika »; « Ngôma zaho »(Tafita); « Tsaramaso kabaro », « Mamaraoda », « Feno fiderana Anao »; « Andriamanitra Ray »; « Aoka Radona », « Vahiny mody ».
follow us on Twitter      Contact      Privacy Policy      Terms of Service
Copyright © BANDMINE // All Right Reserved
Return to top