SOMBIM-PANAMPIANA BESSA- Aina ny tonony- Noely Rakotoarivony ny feony Nandrindra sy Gitara Datita - Video
PUBLISHED:  Oct 27, 2012
DESCRIPTION:
Fa toy ny voninkazo
Maniry an-tany hay
Mosaren-dranon'ando
Mbola tsy soa dia malazo
Tahak'izany koa
Ny foa tsy manana fitia
Fa velombelom-poana
Tsy misy aina tokoa

Mba ampandefero
Ny hambom-po ratsinao
Hanjary fo misariaka
Ilay fitiavan-tenanao
Ario izay kakay masiaka
Fitiavana mahasolo ireo

Raha toa ianao mijaly
Tsy ahitam-pifaliana
Ny fiainam-pahoriana
Inty aho mba hamalifaly
Henoy izao hira izao
Fampaherezako anao
Aidiro am-po atao
Sombim-panampiana ho anao
follow us on Twitter      Contact      Privacy Policy      Terms of Service
Copyright © BANDMINE // All Right Reserved
Return to top